Lanin’ny voay teo amin’ny faritry ny tanany ny mpanarato iray, tao amin’ny kaominin’i Bemarivo, distrika Ambatomainty, ny alahady 2 jona teo. Nanao ny asany toy ny mahazatra azy io lehilahy io, kinanjo, norambasan’ny voay tampoka ny sandriny. Avotra soa aman-tsara izy ka nentina notsaboina teny anivon’ny CSB II Bemarivo.
Renim-pianakaviana iray torana tampoka tsy nahatsiaro tena teny an-dalana, teny amin’ny Quai Orange, Mahajanga, omaly. Mpandalo no nahatsikaritra azy nitsirara. Nentina namonjy toeram-pitsaboana io ramatoa io. Tsy nahina ny fahasalamany.
Hita avokoa ny vatana mangatsiakan’ireo valo mianaka narendriky ny lakana, tao amin’ny farihin’Alaotra, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra entana mavesatra niaraka tamin’ny mpandeha ny lakana ka niharan-doza tampoka. Olona miisa dimy hita ny alin’ny zoma 31 mey. Nitohy ny sabotsy ny fikarohana ireo namany.
Lasan’ny jiolahy ny kalisy sy ny vary akotry roa gony tao amin’ny fiangonana katolika ao amin’ny distrikan’i Kandreho, faritra Betsiboka, ny 30 mey lasa teo. Tsy fantatra mazava ny anton’ny fandrobana hatreto.