Barea de Madagascar : mpilalao 24 no any Afrika Atsimo

Afaka roa andro sisa, hiaka-tsehatra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etazonia sy Meksika. Ny ekipa nasionalin’i Comores no hihaona amin’ny Barea de Madagascar, lalaon’ny andro fahatelo ho an’ny vondrona “I”, hatao ny 7 jona, ao Johannesburg. Araka ny vaovao voaray, omaly, mpilalao 24 tamin’ireo 25 nantsoina no tonga any Afrika Atsimo, amin’izao fotoana izao. Niainga omaly teny Ivato, hihazo an’i Afrika Atsimo, ireo Malagasy mpilaravinahitra any La Réunion efatra mirahalahy : Ando Pro, Tsiry Kely sy Rojo Be ary i Angelo. Tsy afaka namonjy ireo namany ilay Malagasy vodilaharana Barea, Fabien Boyer noho ny ratra nahazo azy. Tsara ny mampahafantra fa mbola manala vela i Comores, tsy mbola nandresy ny Barea izy ireo. Aorian’ity fihaonana ity, i Mali indray no miandry ny ekipa nasionaly malagasy ny 11 jona ho avy io, any Afrika Atsimo ihany. Tsara ny mampahatsiahy fa manana isa 6 i Comores, voalohany ao amin’ny sokajy “I”, faharoa i Mali, isa 4, ary i Madagasikara, fahatelo, 3 isa.

Fitia Randria

Partager sur: