Nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny fakiolten’ny droit, des sciences économiques et de gestion ao anivon’ny oniversiten’i Toamasina, Be Alphonse, niaraka amin’ny mpampianatra profesora ao amin’ny mention Gestion.
Nitondra fanazavana momba ny voka-panadinana ho an’ny mention gestion nivoaka ny 23 marsa izy ireo. Nambarany fa nivoaka maimaika ny valim-panadinana ho an’ny M1 sy M2 ka niteraka savorovoro teo amin’ny mpianatra tsy nahatoky izany. Rehefa nanao fanamarinana ireo mpampianatra raikitra eo anivon’ny mention Gestion, nahita fa tsy nisy ny fanambarana ny “feuilles de copie” isaky ny mpianatra, hoy ny fanazavana. Tsy nanao fanamarinana ny naoty ny mpampianatra raikitra, satria tsy voaantso hanatanteraka izany. Tsy nisy koa ny famoriana ny mpampianatra raikitra sy ny tomponandraikitra ao amin’ny “parcours” ahafahana manapa-kevitra mialoha ny hamoahana ny voka-panadinana. Fepetra tsy maintsy tanterahana io nefa tsy tontosa.
Vokatr’izany, nisy taranja enina tsy vita “saisie”, teo koa ny naoty efa azon’ny mpianatra namerin-taona izay samy tsy tafiditra ao anatin’ny “rélévé de note” voarain’ny mpianatra tsirairay ka nitarika ny fahadisoana. Tsy voamarina koa ny mpianatra tena tonga nanao ny fanadinana ka niteraka savorovoro izay azo nosorohina tamin’ny fanamarinana ny naoty izay andraikitry ny tomponandraikitry ny Mention nefa tsy vitany.
Tsy feno ny fepetra
Nanamafy ny Sojabe fa tsy feno ny fepetra tokony narahana nialoha ny namoahana ny voka-panadinana. Tsy maintsy handray andraikitra ny collèges des enseignants chercheurs sy ny filankevitra siantifika eo anivon’ny fakiolte misy ny mention Gestion.
Misy ny « procès verbal » ataon’ny vadin-tany isaky ny mpianatra ary miandry ny vokatr’izany ny tomponandraikitra, ka aorian’izay vao hamoaka voka-panadinana vaovao manaraka ny fepetra rehetra ny mpampianatra ao amin’ny mention Gestion, hoy ny nambaran’ny Sojabe.
Vonjy sy Sajo