Nisokatra tamin’ity herinandro ity any Genève (Soisa) ny fivoriana iraisam-pirenena faha-112 momba ny asa. “Mivonona amin’ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny vokany ho an’ny fahasalamana” ny lohahevitra niompanan’ny dinika, izay hifarana ny 14 jona ho avy izao. Solontena avy amin’ny firenena 187 mpikambana ao amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT), ahitana mpampiasa sy ny mpiasa ary tomponandraikim-panjakana no mandray anjara ka anisan’izany ny delegasiona malagasy. Hiresaka momba ny fiarovana ny mpiasa manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, ny vola hatokana ho an’ny fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa, ny zo fototra amin’ny asa… ny mpivory. Tafiditra anatin’ny fandaharam-potoana koa ny fifidianana ny mpikambana vaovao hitantana ny OIT mandritra ny telo taona manaraka. Hizara vaomiera maromaro ny mpivory hidinika ny lohahevitra voalaza.
Vonjy