Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro ato anatin’ny telo andro ho avy, izay mety hialohavana zavona vao maraina ny toerana sasany amin’ny afovoan-tany sy ny atin-tany Atsimon’ny Nosy. Hisy fidinana ny maripana ambony indrindra any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy sy ny afovoan-tany any amin’ny faran’ny herinandro. Manodidina ny 6°C- 24°C ny maripana ny maraina ary 19°C- 35°C ny tolakandro.
Tafajoro ny herinandro lasa teo ny sehatra iray ho an’ireo olona eto Madagasikara tia mampiasa ny teny alemana sy liana amin’ny firenena alemana izay mitondra ny anarana naman’i Alemaina. Betsaka ny tombontsoa azo raha hiditra ho mpikambana amin’ny fikambanana indrindra ny fizarana mampiasa ny ity teny vahiny ity.
Natokana ho an’ny mpianatra ny atrikasa fampiasana ny nomerika ho an’ny fampianarana sy ny fikarohana omen’ny Campus numerique francophone (CNF) –AUF amin’ity volana ity. Hofanina manokana hikirakiran ny logiciel libre ny mpianatra hanatsarana ny fikarohana ataony sy ny fitadiavana vaovao ary ny fitrandrahana izany hanampy azy.
Nisitraka ny fanentanana momba ny ady amin’ ny herisetra sy ny fanentanana amin’ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ao amin’ny kaominina ambanivohitry Bezezika. Mifarimbona ny ONG Ecpat France sy ny fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny firaisankina ao Menabe.