Miainga eny ifotony hoe ny fampandrosoana? Ka izay indrindra ny soatoavina vohizin’ny “Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano”. Hafatra ampitaina amin’ny alalan’ny zavakanto…
Inona tokoa moa ilay hoe fihavanana, lazaina fa soatoavina an’ny Malagasy manokana? Mila tsy voavaly intsony izay, raha tarafina amin’ny fiainam-piarahamonina misy amin’ izao fotoana. Inona anefa ny tokony hatao hiverenan’izay? Ny valin’io fanontaniana io kosa no niteraka ny hetsika “Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano”. Kolontsaina, satria io no fanoitran’ny fampandrosoana. Nisy fahatongavan-tsaina niaraka, izay nitarika amin’ny fiombonan-kevitra mba hanambatra ny hery mankany amin’ny fiovana. Tsy voatery amin’ny alalan’ny resaka anefa, fa ny kanto no mampita hafatra mihoatra ny fefy napetraky ny fiarahamonina.
Hotontosaina ny 7, 8 ary 9 jona izao ny ity hetsika ity. Nosafidiana amin’ity andiany ity ny elakelatranon’i Besarety, izay handray izany. Mpikanto sy tia kanto maherin’ny 50 no nanolo-tena handray anjara. Hetsika ara-javakanto misokatra ho an’ny daholobe mantsy izy ity. Misy efa mpanakanto manana ny lazany, misy ireo an-dalana mametraka ny soniany ary misy kosa olon-tsotra mpankafy kanto sy mitovy fijery amin’ ny lohahevitra. Efa nisy rahateo ny fihaonana voalohany nataon’ ireo mpikarakara sy ireo namaly ny antso ny faran’ny herinandro teo, nametrahana ny andinindininy amin’ny fanatanterahana izany.
Anisan’ireo mpandray anjara namaly ny antso, ohatra, i Manda Ratsimbason. Mpiangaly ny “graffiti” izy ary mirona amin’ny famokarana t-shirt mitondra hafatra ihany koa. Tsy ny kisary an-drindrina ihany anefa fa mivelatra amina seha-kanto marolafy ny hetsika. Ho avy eo koa, ohatra ry Takamoa, izay mivoy ny “spoken world” na ny poezia miharo mozika. Eo koa ny tarika Diatarmic, izay mpanao mozika mivoy ny rock, sns.
Satria tsy mivaona amin’ny lalan-tsain’ny hetsika ny fifanomezan-tanana, manao antso ho an’ireo izay afaka manampy ara-pitaovana ny mpikarakara. Anisan’izany, ohatra, ny tohatra avo ilaina amin’ny fandokoana, ny kilalaon-jiro hampiasaina amin’ny sehatra ao amin’ny tsenan’i Besarety, sns.
Zo ny Aina