Miatrika fananadinana BEPC ireo mpianatra avy amin’ny fiangonana katolika, amin’ity herinandro ity. Nanomboka ny alatsinainy teo ary hifarana ny alakamisy izao izany. Mahatratra 36 226 ireo mpianatra miatrika izany, izay miparitaka amin’ireo diosezy 22. “Tsy manakana amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana BEPC ofisialy izany fa hahitana sy hitsapana ny fahaizan’ny mpianatra eo amin’ireo sekoly katolika rehetra”, hoy ny sekretera jeneralin’ny vaomieran’ny Eveka misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana katolika, mompera Ranaivoson Jules. “Tsapanay fa miezaka ireo mpianatra mandray ny fanabeazana katolika nandritra ny efa-taona nanatanterahana izany teto amin’ny Nosy”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa manodidina ny 12/ 20 ny salanisa afa-panadinana mandritra izany.
Anisan’ny mampiavaka ity fanadidanana ity amin’ny ofisialy ny hanadinana ireo taranja rehetra atao any am-pianarana fa tsy ny akademika ihany. Anisan’izany, ny taranja fandalinam-pinoana sy ny fanabeazana miaina sy mitia (Eva). Mety mampihena na mampiakatra ny salanisa azon’ny mpianatra izany. “Nahatratra hatramin’ny 60% ny taham-pahombiazana teo amin’ny sehatra nasionaly nandritra ny fanalana ny fanadinana BEPC katolika”, hoy hatrany ny fanazavana voaray hatrany. Tohizana amin’ny taranja fizika sy ny frantsay izany ho an’ny anio. Hitohy amin’ny taranja Histo-Géo sy ny Eva kosa izany ny alakamisy. Hofaranana amin’ny taranja Anglisy izany ny zoma maraina.
Mino