« Semaine de la BD » : mandray anjara ny «Pejy maizina» an’i Riri

Tanterahina eny amin’ny Alliance Française d’Anta­nanarivo (AFT) Andavamamba, nanomboka omaly hatramin’ny 8 jona 2024, ny fampirantiana iarahana amin’i Riri, Mala­gasy mpanao tantara an-tsary. « Pejy maizina », io no lohatenin’ny tantara an-tsary miranty eny amin’ny AFT Anda­vamamba. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika “Semaine de la Bande Dessinée” ity fampirantian’i Riri ity. Ankoatra ity fampirantina ity, ahitana fifaninanana sy atrikasa ary velakevitra mahakasika ny tantara an-tsary ihany koa eny an-toerana. Tanjona ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny tontolon’ny tantara an-tsary eto Madagasikara.
Anisan’ny misantatra ny « Semaine de la Bande Dessinée », ny fampirantianan’i Riri. Sary miisa 46 no miranty eny an-toerana. Raha fintinina fohy ity tantara an-tsary ity, niainga tamin’ny zava-nisy marina, maneho ireo fanontaniana saro-balina manodidina ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy.
Ankoatra izay, anisan’ny nandrasan’ny mpankafy tantara an-tsary ihany koa ny velakevitra iarahana amin’i Rolling Pen sy Catmouse, Malagasy anisan’ny sangany sy manana ny lazany hatrany ivelany eo amin’izany fanaovana tantara an-tsary izany.

Lin

Partager sur: