TARATRY ny KANTO

“Embona sy hanina an’i Dadah R’Abel”. Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy Mahaleo, sy ny mpankafy an’i Dadah R’Abel manokana ity. Seho miavaka ho fahatsiarovana azy ny sabotsy 29 jona izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, etsy amin’ny PK 00 Soarano. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ity mpanakanto ity izany, raha mbola velona teo izy. Tsy mbola nam­pahafantarina kosa ireo mpanakanto handray anjara.

Hitarika velakevitra i Hobiana. “Fanamby: Mpa­noratra miatrika ny fironan’ny mpamaky amin’ny kolo saina vahiny”. “Tena misy ve ny zon’ny mpamo­rona?”. Ireo no hovoa­boasina mandritra ny fihaonana etsy amin’ny Tra­nombokim-pirenena Anosy, anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hanasana ireo mpanoratra, mpampiasa soratra, sns, izany.

Rindrankira « Fiderana » ! Ireo antoko mpihira anisan’ ny andrarezina amin’izao vanim-potoana izao no hifandimby eny an-tsehatra. Hosana Ambohijatovo Fitiavana sy ny Tanora masina Itaosy. Seho hotantera­hina eny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny alahady 16 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Rindran­kira evanjelika tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny jobily faha-150 taonan’ny fiangonana FJKM Ambohijatovo Fitiavana.

Volana jona hanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Volana jona, hankalazana ihany koa ny « Volan’ny ankizy ». Anisan’ireo firenena tia zanaka manka­mamy taranaka ny Malagasy. Aminy, anisan’ny tranga ratsy raha tsy manana anaka ny vehivavy. Na fidiny, na tsy fidiny, matetika nosokajian’ny Malagasy ho tsy fahamarinam-pitondran-tena ny fahamombana. Tsy vitsy tamin’ireo vehivavy « momba » no nanome alalana ny vadiny hiaraka amin’olon-kafa mba hananany dimby sy fara !

Partager sur: