Trail – Trophée de l’Ocean Indien : azon’i Mamy ny medaly volamena

Nihofahofa tatsy La Réunion indray ny sainam-pirenena malagasy ny sabotsy lasa teo. Lasan’Andrianirina Hobilalaina Rivosoa, fantatry ny rehetra amin’ny solonanarana hoe : Mamy, ny medaly volamena teo amin’ny fifaninanana hazakazaka anaty natiora na ny Trail – Trophée de l’Ocean Indien, andiany voalohany. Fihaonana, nokarakarain’ny Association Cultu­relle et Sportive de l’Ocean Indien.
Tontosany tao anatin’ny 7 ora 51 mn 58 s, ny halaviran-dalana 71 km. Tamin’ny 4 ora maraina ny fiaingana ka nitety ireo lalana isan-karazany tao an-toerana, mialoha ny nidirana tamin’ireo zotra sy toerana samihafa ilaina teknika, raha ny nambaran’i Mamy teo am-pahatongavana.
“Nitandrina mafy aho, tamin’ireo mpifanandrina tamiko ka anisan’ireny i Elias (Kadi), izay nandeha mafy tokoa saingy rehefa tratrako izy, hitako fa reraka ka nanafaingana ny diako aho”, hoy izy.
Marihina fa i Mamy no hany mpifaninana nahavita ny halavirana 71 km, latsaky ny adiny 8. Tonga faharoa, i Elias nahatontosa ny fifaninanana tao anatin’ny 8 ora 01 mn 20 s. Nanambara ny tenany fa afa-po tamin’ny zava-bitany. Fahatelo, i Alexandre Depê­che, 8 ora 10 mn 31 s.
Voalohany teo amin’ny vehivavy, i Hortense Gon­neau, nahatontosa ny hazakazany tao anatin’ny 10 ora 01 mn 35 s.

Tompondaka

Partager sur: