Voasambotry ny zandarimaria tao amin’ny trano fonenany ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny, tao Ambohidray, kaominina Manakana Vonimbohitra, distrikan’i Tsaratanàna, ny faran’ny herinandro teo. Atidoha tamin’ny tranga fakana an-keriny tao amin’ny tanànan’Ambodikininina, ny 17 mey lasa teo io olon-dratsy io. Nikaroka azy taorian’izay ny zandary miasa ao amin’ny kaompania Andriamena. Tafiditra amin’ny fanatontosana ny “operation Harato II” io fikarohana ireo dahalo mpaka an-keriny io. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminan fa nihaodihaody tany amin’ny kaominina Manakana ilay mpaka an-keriny. Nanao ny paikady nisamborana azy ny zandary. Vokany, tra-tehaka tao amin’ny tranony io lehilahy io. Karohina ny mpiara-miombon’antoka aminy.
Tsiferana R.