Norobain’ny jiolahy efa-dahy ny vola rehetra tao amin’ny tranom-barotra iray tao Tanamakoa, Toamasina, omaly. Nitondra basy ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Voadaroka ny raim-pianakaviana tompon-tsena, ka naratra voan’ny antsy ny faritry ny vatany. Tsy nahina ny ainy ary efa nahazo fitsaboana teny anivon’ny hopitaly ny
tenany.
Karohin’ny zandary ny olon-dratsy nanolana ilay vehivavy bevohoka tao amin’ny kaominina Ambohimandroso, ny alahady 2 jona teo. Nihosin-dra, tsy nahatsiaro tena intsony sady rovitra fitafiana io vehivavy bevohoka 8 volana io no hitan’ny mpandalo tao amin’ny ala kininina Bongabe, Maromoka Vavaraoly. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana izy.
Olona efatra voasambotry ny mpitandro filaminana tao amin’ny RN2 teo amin’ny PK 176, teo amin’ny fokontany Ampasimbe, distrikan’i Brickaville, ny alarobia 29 mey teo. Nandavaka tao ambany arabe ireo efa-dahy ary minia nanimba ny lalam-pirenena. Karohina ny olana telo hafa naman’izy ireo.