Mbola noporofoin’i Havana sy i Baloti (ABMI) indray ny maha andrarezina azy ireo, eo amin’ny tsipy kanetibe. Norombahin-dry zalahy ny ho tompondakan’ny ligin’Analamnaga. Ny Besady Plus kosa no teo amin’ny vehivavy
Notanterahina ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Para Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy lehilahy, ny klioban’ny ABMI nisy an-dRazafinarivo Miarimanana sy Ramanantiaray Faralahy Urbain Joseph ary Rafanomezantsoa Andriamahazo Haja. Ny Besady Plus kosa ho an’ny vehivavy, nahitana an’i Ravomanana Nomenjanahary Fanantenana sy Ramiandrisoa Lova Andry.
Raha hiverenana ny famaranana, lavon’ny UBMI tamin’ny isa tery 13 no ho 12 i Mirija Solonantenaina sy Andriamahandry Tafita Angello Mickaël ary Randrianaivo Anja Salohy avy amin’ny klioba PAC Ampitatafika. Niady hatramin’ny farany ny fihaonan’ ny roa tonta ary nahitana endri-dalao mahafinaritra. Ambony be ny teknika nentin’ ny andaniny sy ny ankilany ka nanome fahafinaretana ireo mpijery tonga maro.
Tamin’ny isa, 13 no ho 6 no nandresen’ny Besady Plus ny CPA nisy an-dRajaonasy Papricia sy Raberanto Prisca. Ho an’ny sokajy “junior”, voalohany ny PAC norafetin-dRasoloson Andriantsivolo Jean Nathnaël sy Razafindraibe Christian Dylan ary Randriampionona Raymond sy Ratovoarisoa Joseph Benjamin avy amin’ny Besady Plus, ny teo amin’ny “veterans”. Nahatratra 22 ireo klioba nandray anjara ka 14 teo amin’ny “junior”, 22 ny vehivavy, 16 ny “veterans” ary 87 ny lehilahy.
Marihina fa fifaninanana hahazoana isa ihany koa iny natao iny. 100 an’ny tompondaka raha 80 ny faharoa ary 60 ho an’ireo tonga eo amin’ ny manasa-dalana.
Dingana manaraka ho an’ny rehetra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’olon-droa.
Tompondaka