Maro ny tsy fanarahan-dalàna, betsaka ny tsindry hazo lena , tsy tambo isaina ny kolikoly , santionany amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka malagasy izany. Tsy hanavana satam-piarahamonina fa samy mahita faisana izay sendra ny « olon-dratsy », mpanao izany. Olona tsisy etika, tsy manaja ny fitsipi-pitondrantena efa maty fanahy sy zatra ny lalan-dririnina. Tsy misy sehatra iray ka tsy hamoaham-bola sy hanaparam-pahefana. Mifanindry sy mifamotika ny samy Malagasy
Asa fa namaly bontana azy ireny tamin’ny fomba mihaja sy hentitra ny filohan’ny Repoblika tany Korea, mandrindra ny fitsidihana izay atao. Nipetraka ho raiamandreny mpitarika sy mpananatra izy andaniny. Ho raiamandreny mpihaino ny fitarainan’ny vahoaka kosa izy ankilany. Andrasana, araka izany, izay fepetra horaisiny manoloana ireo mpambotry firenena sy fahavalon’ny marefo ireo.
Andrasana ny fanaovana hazalambo ireo mpanao kely tsy mba mamindro. Izay vandana dia kary. Tsy tokony hijanona amin’ny « trondro madinika » fa mba hipaka any amin’ny lohandohan’ny mpisorona. Firifiry tokoa ny olo-maventy izay tsimatimanota. Zary ny irakiraka no misolovaika ny ankalana. Izy ireny no mibaby ny heloky ny hafa. Fotoana hanadiovana tanteraka izao.
Teny filamatry ny filohan’ny Repoblika : « Madagasikara tsy maintsy mandroso ». Tsy misy fandrosoana azo hantenaina anefa raha tsy madio ny kianja ilalaovana. Mila mijoro amin’ny lafiny rehetra ny filoha faran-tampony, hitarika ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitiavan-tena, ary indrindra ny kitranoantrano sy ny kinamanamana. Ireny izay fositra mandoto fiarahamonina no hisatra mampikatso ny famokarana. Tsy misy lamasinina misosa izany raha misy mpanamory sy ny ekipany tsy matihanina fa mialokaloka amin’ny anaran-dranona na ranona.
Tsy ho lasan-kovavany fotsiny ny toky sy ny fampanantenana tamin’ny fampielezan-kevitra!
r.r