VAOVAO TAMBATRA

Nanolotra ny fikarohana nataony tany Japon Rtoa Andriantsitohara Attiana Fara, talen’ny Fikaro­hana sy ny fenitra ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny 29 mey teo. Manohy ny fianarana hahazoana ny mari-pahaizana « Doctorat » any amin’ny oniversite Naga­saki izy, mandritra ny telo taona, nanomboka ny taona 2024.

Hampitomboina ny isan’ny fiaramanidina ampiasain’ny Madagascar Airlines. Hiampy iray izany amin’ity volana jona ity, iray koa amin’ny volana jolay, ary iray hafa amin’ny volana aogositra. Mano­hana ny fahazoana ireo ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny Drafi-panarenana ity kaompania ana habakabaka ity.

Avy amin’ny biby avokoa ny 60 % ny aretina mpahazo ny olombelona izay miantraika betsaka amin’ny fahasalamana sy ny fivelomana ary ny toekarena. Aretina matetika hita, ohatra, ny haromotana,
« fièvre de la vallée de rift » mpahazo ny biby fiompy. Natsangana, araka izany, ny komity mpitantana ny misehatra amin’ny fisorohana ny areti-mifindra.

Partager sur: