Nisy ny fanadihadiana natao ny taona 2020, momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora eto Madagasikara. Notanterahin’ny Univesity of Kwazulu sy ny Heard, tamin’ny tanora 800 (15-24 taona) tamin’ny toerana efatra: Antananarivo, Antsiranana, Toamasina ary Toliara izany. Voasahana avokoa ny tanora mbola mianatra sy ireo tsy mianatra intsony amin’ny tanàn-dehibe sy ny ambanivohitra, nandritra ny fanadihadiana teny ifotony. Nisongadina taorian’ny fanadihadiana fa tsy mampiasa fitaovam-piarovana (kapaoty) rehefa manao firaisana ara-nofo ny antsasa-manilan’ny tanora nanontaniana. Tanora iray amin’ny dimy monja no miaro tena, 18% ho an’ny zatovovavy ary 19% ho an’ny zatovolahy, satria matetika tsy manaiky ny fampiasana kapaoty ny lehilahy ka manaja ilay fanapahan-kevitra ny vehivavy. Tsy mampiasa fanafody fandrindram-piterahana na koa fiarovana amin’ny vohoka tsy iriana ny tovovavy fa misafidy ny fomba voajanahary fanisana andro. Vokatr’izany fihetsika izany, 47,4% tamin’ireo zatovovavy nanontaniana no nitondra vohoka iray farafahakeliny. Enina amin’ny vohoka tsy iriana (57,4%) nesorina ary nampiasa zavamaniry ny ankamaroan’izy ireo izay mety hitera-doza ho an’ny fahasalamany (fandehanan’ny ra tsy mijanona, otrikaretina…).
Antony nambaran’ny tovovavy fa nanalana ny zaza ny tahotra ny ray aman-dreny sy ny fahavononana hanohy fianarana, satria tsy mahazo mandia lakilasy raha vao mitondra vohoka.
Vonjy