Nihinana trondro nisy poizina: telo mianaka niara-maty

Maty tao anatin’ny andro iray ny ramatoa iray sy ny zanany roa tao Antalaha. Nihinina hazandrano nisy poizina izy ireo. Nifanesy nindaosin’ny fahafatesana ny telo mianaka monina ao amin’ny fokontany Marintsoa, kaominina Antalaha, afakomaly. Nividy trondro teny amin’ny tsenan’Ankoalabe ny raim-pianakaviana, ny alatsinainy 3 jona teo, tamin’ny 5 ora hariva. Nandrahoin’ny vady aman-janany io laoka io ka samy nihinana izy ireo. Tampoka, tsy nahazo aina ilay renim-pianakaviana rehefa nanakaiky ny tamin’ny 7 ora hariva. Niparitaka tao anatin’ny minitra vitsy monja tao anatin’ny vatany ny poizina tamin’ilay trondro. Namoy ny ainy teo no ho eo izy. Tetsy ankilany, nampiseho fambara ratsy tamin’ireo zaza koa ny fihinany io karazan-trondro natao laoka io.

Novonjena teny amin’ny hopitaly
Nalemilemy, nentina novonjena teny anivon’ny CHRD Antalaha ireo zaza roa. Mpianadahy, 8 taona ilay ankizivavy niharan’ny fanapoizinana. Mananika ny fahenin-taonany ilay zandriny lahy izay niara-maty tamin’ireo reniny sy zokiny ireo. Nihombo tamin’ny vatan’izy ireo anefa ny poizina. Vokany, maty tsy tra-drano koa ny zanak’ilay ramatoa. Nanao izay ho afany nanavotana azy mianadahy ny mpitsabo eo anivon’ny hopitaly saingy tsy tana ny ain’ireto farany, ny alin’io 3 jona io ihany. Nanao fitiliana manokana ny mpitsabo.

Tsiferana R.

Partager sur: