Hanampy betsaka amin’ny fitadiavana lalam-barotra sy fiaraha-miasan’ny samy mpandraharaha ny hetsika Salon international des acteurs économiques (SIAE) andiany fahatelo. Nasaina manokana amin’ity hetsika ity ny Nosy Mayotte.
Fotoana iray hahafahan’
ireo mpandraharaha sy mpisehatra ara-toekarena mifanakalo hevitra, mifanerasera, mifampizara traikefa ary mitady fiaraha-miasa ny hetsika Salon international des acteurs économiques (SIAE) andiany fahatelo, izay nanomboka omaly ka hatramin’ny sabotsy izao, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Hita eny an-toerana avokoa ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatra samihafa. Vahiny nasaina manokana amin’ity andiany fahatelo ity kosa ny Nosy Mayotte. Tanjona, araka izany ny hanombohana na koa hanamafisana ny fiaraha-miasan’ireo mpandraharaha ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. « Vonona hanampy sy hanosika ny fiaraha-miasan’ireo samy mpisehatra kosa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana », hoy ny fanazavan’ny talen’ny kabinetrany, Rakotondrazaka Fano, omaly nandritra ny fanokafana ny hetsika.
Lalam-barotra
Tanjon’ny hetsika SIAE hatramin’izay ny hanampiana ireo mpandraharaha hahita lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany. Betsaka ireo efa nahazo tombontsoa sy mampivelatra ny seha-pihariany. Ankoatra ny varotra fampirantiana, hivelatra bebe kokoa amin’ny fampihaonana ireo mpandraharaha (rencontre B to B) ny hetsika karakarain’ny Riano Agency. Manampy ihany koa izany amin’ny famantarana ny filan’ny orinasa. Marihina fa anisan’ny mahasarika ireo vahiny mpandraharaha ny lavanila, ny kakao ary ireo vokatra mampiavaka antsika, hoy ny mpikarakara ny hetsika. Andry lehibe iankinan’ny harin-karena ny sehatra tsy miankina. Manana andraikitra goavana hanome tantsoroka ireo mpandraharaha izay mikirakira ny akora fototra mba hiarovana ny tontolo iainana kosa ny ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.
Henintsoa Hani