Angovo avy amin’ny masoandro: hanohana an’i Madagasikara ny ISA

Natao ny 5 jona 2024 teo, ny atrikasa mahakasika tetikasa tohanan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny angovo azo havaozina (ISA), natrehin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Olivier Jean Baptiste.

Nitarika ny delegasion’ny ISA, ny Dr Barakat Ah­med, lehiben’ny fandaharanasa ho an’i Afrika, niaraka tamin’i Sudhanshu Mishra, manam-pahaizana amin’ny fitsinjarana ny tambajotra angovo avy amin’ny masoandro ary teknisiana maromaro.
Nodinihina ny hampiroboroboana ny angovo azo avy amin’ny masoandro. Nojerena ny teknolojia sy ny paikady vaovao, hampihenana ny fiankinandoha amin’ny fampiasana solika, sy ny hahazoan’ny besinimaro herinaratra, sady mba hifanandrify amin’ny politikam-panjakana.
Nilaza ny Dr B. Ahmed fa hisitraka ny tetikasan’ny ISA amin’ity taona 2024 ity i Madagasikara, miampy an’i Kaomoro sy i Seychelles, vatsian’ny QUAD ara-bola. Ma­hasahana sehatra telo ny tetikasa, dia ny fitahirizana ny angovo azo, ny famatsiana herinaratra amin’ny fitsaboana ary ny fisintonan-drano avy amin’ny herin’ny masoandro. Hipaka amin’ny toekarena sy sosialy ireo, hamorona asa, hanatsara ny fahazoana herinaratra tsara kalitao sy ampy. Hihena ny fampiasana angovo avy amin’ny solika sy ny fiparitahan’ny entona karbona.

Angovo madio ny 85%
Ankoatra ireo, nisy valandresaka, ao anatin’ny Solar Week Madagascar, omaly, nokarakarain’ny Solar Quarter Africa, tohanan’ny Jinko Solar ary ny ADES. Tao avokoa ny mpisehatra rehetra amin’ny teknolojia « solar photovoltaic », takelaka misintona ny herin’ny masoandro ho lasa angovo. Noresahana ny lafiny famatsiam-bola, ny vidiny hivarotana ny herinaratra, ny teknolojia, sns. Nilaza ny minisitra Jean Baptiste Olivier fa manana tombony lehibe isika satria mahatratra 2 800 ora- 3 000 ora ny hazavan’ny ma­soandro mandritra ny taona, manerana an’i Mada­gasikara. Tanjona mba ho avy amin’ny masoandro ny 85% ny angovo ampiasaina amin’ny taona 2030.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: