Hametraka fanamby goavana ho an’ny mponina eo anivon’ny fokontanin’Anosizato Atsinanana I ny sefo fokontany, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Anisan’izany ny hanaovana ny fokontany ho mpitarika amin’ireo fokontany rehetra manerana ny Nosy. Tanjoko ny hametraka fampandrosoana mivantana sy haingana manaraka ny Politika ankapoben’ny fanjakana, araka ny fandaharan’asa napetraky ny filoha Rajoelina. Nambarany fa tsy vitan’ny tsikera ny fiainana fa mitaky fandraisana andraikitra. «Betsaka ny zavatra harenina eto amin’ny fokontany. Tsy manilika mpiara-miasa aho fa miara-miasa isika mba hahafahantsika miroso haingana amin’ny fampandrosoana. Madagasikara tsy maintsy mandroso, vonona amin’izany aho, inty aho, hampiasa ny heriko sy ny fahaizako rehetra» izy. Laharam-pahamehana ho an’ity sefo fokontany vaovao ity ny ady amin’ny kolikoly, ny fandriampahalemana ka hametrahana poste de police ao amin’ny fokontany. Eo koa ny resaka asa sy fampiofanana arakasa, ny tanora sy ny fanatanjahantena, fanatsarana ny EPP sy ny CEG ary ny hananganana CSB 2. Manampy izany ny fanatsarana ny biraom-pokontany sy ny fampitaovana. «Omentsika lanja sy hasiny amin’izay ny fokontany», hoy izy. Nambarany fa tarihina ny vahoaka hiasa sy handray andraikitra. Miisa 2 2000 ny mponina eo anivon’ny fokontany ka tsy misy afa-tsy ny fiarahana mandray andraikitra ihany raha te hampandroso ny fokontany, raha ny fanazavany.
Jean Claude