Fanafody Aflasafe: fanefitra amin’ny aretin’ny voamaina

Fahita amin’ny voamaina, toy ny katsaka, ny voanjo, na voamaina hafa, ny endrika bobongolo. Araka ny fanadihadiana nataon’ny teknisiana, aretina miendrika holatra, antsoina hoe «aflatoxine» ireny hita ireny. Hita ny vahaolana hiadiana aminy, ny fanafody «Aflasafe». Manoloana izany, nisy ny atrikasa hitadiavana ny vahaolana hiadiana amin’ity valanaretina ity. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Minae), amin’ny alalan’ny tetikasa FSRP. Tetikasa misahana ny fahafa-miatrika ny rafitra ara-tsakafo, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola sy ny Ivontoerana iraisam-pirenena ho an’ny Fam­bolena ho an’ny tany mafana (IITA).
Natao ny 5 mey 2024 teo, ny atrikasa miompana amin’ity vahaolana, entina hiadiana na hisorohana ny aretina mpahazo ny voamaina, toy ny katsaka, ny voanjo, sns, ity.

Njaka A

Partager sur: