Faritra Sava : manomboka anio ny JIR faha-9

Tontosaina ao amin’ny faritra Sava, manomboka androany ka hatramin’ny alahady izao, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (Journée internationale des Régions) andiany fahasivy. Hetsika ara-toekarena entina hampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana, ny famokarana ary ny fihariana any amin’ny faritra. Lohahe­vitry ny fankalazana amin’ity ny hoe « Faritra Sava, manana otrikarena manan-danja: ndao hanangana firenena misandratra ». Tanjona ny ham­piroborobo ny fampiasam-bola any an-toerana, amin’ny alalan’ny sehatry ny fandraraharana momba ny fambolena, ny fizahantany ary ny harena an-kibon’ny tany. Anisan’ireo handray anjara amin’ny JIR ny Economice Development Board Mada­gas­car (EDBM). Tanjona apetrany ny fampirisihana ny fampiasam-bola eto an-toerana sy hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny. Araka izany, andraikitry ny EDBM ny mampahafantatra sy hizara ireo tombony amin’ny fampiasam-bola ao amin’ny faritra Sava. Hisy, noho izany, ny boky torolalana ho an’iny faritra iny. Vina ny hampiroborobo ny sehatry ny indostria ao amin’ny faritra, hisarihana ireo mpampiasa vola avy eto an-toerana sy avy any ivelany ho an’ny famoron’asa sy ho fampandrosoana ny toekarena ao amin’ny faritra. Tsiahivina fa nankalazaina tany amin’ny faritra Fitovinany, ny volana septambra teo, ny JIR andiany fahafito. Nampiantrano ny andiany fahavalo ny faritra Atsimo Atsinanana.

Henintsoa Hani

Partager sur: