Mpamoron-kira malagasy goavana indrindra. Tsy misy afaka ny mandà izany, raha hiresaka an’i Bessa. Feno 80 taona ity andrarezina ity, ka homarihina an-tsehatra izany.
Olomangam-pirenena raha Ratsarisa Randzavola Rakotovao Rabe Samüel. Bessa no tena hahafantaran’ny maro, amin’ny maha mpanakanto, azy. Feno 80 taona amin’ity taona ity ny tenany. Andrarezina satria mpamoron-kira anisan’ny nahavita maro indrindra, ho ana mpanakanto mpihira marobe i Bessa. Tsy mbola nisintaka ny tontolon’ny mozika izy, na dia efa an-taonany maro aza no nonina ivelan’i Madagasikara.
Porofon’izany, fantatra fa hisy ny fiakarana an-tsehatra izay hotontosain’i Bessa sy i Lôla, ny sabotsy 29 jona ho avy izao, ao amin’ny Théatre Longjumeau, Paris Frantsa.
Fampisehoana natao in-drindra hanamarihana izay faha-80 taonan’i Bessa izay, ho avy manokana any an-toerana, hanotrona azy an-tsehatra i Bodo sy i Poopy. Ireto farany izay azo lazaina fa novolavolain’i Bessa teo amin’ny talenta ary nanara-dia azy teo amin’ny laza.
Ny Mam’s Events, izay nikarakara ny “Festival Tsika Jiaby” tao Paris farany teo ihany no handray an-tanana ity seho nandrasana ela ity.
Tsy voatanisa raha ny sanganasan’i Bessa, nomeny hataona mpihira maro. Nisy antony manokana avokoa ny nisafidianany an’ireo, ary nisy aza namoronany hira manokana mihitsy. Maro toa izany koa ny hira izay tsy ampoizin’ny rehetra akory fa sanganasany, saingy tsy dia mba sarotiny tamin’izany i Bessa. Nisy matetika ihany koa ny fampisehoana nataon’ireo mpanakanto nindrana ny sanganasany, tao anatin’izay fotoana tsy naha teto an-tanindrazana azy izay…
Nandrasana ela satria tamin’ny taon-dasa no niaka-tsehatra farany i Bessa sy i Lôla. Nentina nanamarihina ny faha-52 taonan’ilay hira “Ny itiavako anao” tamin’io. Mbola tany Paris ihany anefa no tontosa, na dia niandrandra mafy aza ny taty an-tanindrazana. Mipetraka indray ny fanontaniana manitikitika ny maro nandritra ny taona elaela ihany: rahoviana no hiverina an-tanindrazana, hanatontosa fampisehoana eto ry Bessa sy Lôla?
Zo ny Aina