Karate – Afrika Atsinanana: nankasitraka ny fandraisan’ny Malagasy i Djibouti

Tsy mitsanga-menatra i Madagasikara amin’ny fandraisana ny fifaninanana afrikanina eo amin’ny taranja karate. Nankasitraka ny lamina i Djiboutie.

Nanolotra teny fisaorana sy fankasitrahana ny Federasiona malagasin’ny taranja karate (FKM), ny lehiben’ny karaten’i Djibouti (FKDji), Abdoulkader Bourhan Kanano, omaly, teny Antani­narenina. « Ankoatra ny ady medaly, zava-dehibe aminay ny mandray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina tahaka izao, mba hahafahana mifandray amin’ireo firenena hafa toa an’i Madagasikara. Misa­otra azy ireo nanaiky ny hampiantrano ny fifaninanana izay tsy niverina raha tsy amin’ity taona 2024 ity», hoy ity lehiben’ny FKDji ity.
Notsiahivin’i Abdoulkader Bourhan, fa tamin’ny taona 2004 no nisy fifaninanana ho an’i Afrika Atsinanana farany.
Marihina fa anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, izay hatao eto Madagasikara, i Djibouti. Raha ny fanazavana nataon’ity tomponandraikitra voalohany ao amin’ny FKDji ity, omaly, miisa roa ireo atleta miaro ny voninahi-pirenen’izy ireo.
Nomarihiny fa ity no fandraisana anjara voalohany ho an’i Djibouti, amin’ny fifanintsanana afrikanina tapany atsinanana. Ankoatra izay, efa tonga omaly avokoa ireo vahiny lehibe, toa an-dry Souleymane Gaye, filohan’ny fikambanan’ny Federasiona afrikanina taranja karate (UFAK), sy i Zetouni, lehiben’ny Kaomisionina mpitsara ao amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (WKF). Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny FKM, halina tamin’ny 10 ora sy sasany no tonga ny filoha lefitrin’ny WKF, i Bechir Cherif.

Fitia Randria

Partager sur: