Mifantoka amin’ny tontolon’ny fifidianana hatrany ny vaovao politika eto amin’ny firenena. Takona tanteraka ny hetsika samihafa izay ataon’ny mpisehatra rehetra. Manomboka hatrany ifotony hatraty amin’ny fitantanan-draharaha an-tampony. Voahodina any avokoa ny sain’ny mpanara-baovao. Hadinodino fa anaty olana sosialy goavana anie Ramalagasy.
Tsy tokony hodiana tsy hita ny fahoriana mianjady ny sarababem-bahoaka, ankehitriny: ny tsy fisian’ny asa. Miteraka olam-piarahamonina maro izany. Tsy mety foana ny tsy fandriampahalemana an-tanàn-dehibe sy ny any ambanivohitra. Mahita faisana ireo mba mioty ny vokatry ny fisasarany. Ny mpamaky trano, ny mpanafika mitam-piadiana, ny mpaka an-keriny dia samy manao izay danin’ny kibony.
Miteraka fisaraham-bazana amin’ny samy Malagasy izany. Betsaka ny lasibatra no tsy miroso amin’ny fitoriana sy fanontsanana. Matahotra ny ho voa roa sosona izy ireo. Ny fananana efa rava sy voaroba, ny fanaovana fanadihadiana koa anefa mila vola. Miantoka ny lanin’ny mpitandro filaminana amin’ny fivezivezena ny mpitory. Tsy manana solika, tsy manana fitaovam-pitaterana ny polisy na ny zandary.
Tsy hifanomezan-tsiny anefa ny zava-misy. Valala tsy an-tanana ve moa hatolo-jaza. Ny fanjakana izay tsy manana akory ny tetibola sahaza ny departemanta miandraikitra ny zandarimaria na ny polisim-pirenena. Misy birao, tsy manana na taratsy fotsy hiasana aza. Raha misy ny iraka maika dia ny lehiben’ny toby no miantoka ny lany. Raha simba ny fiara na ny moto, mbola ny mpiasa no mamoka am-paosy.
Manoloana izany indrindra no mba hanairana ny tomponandraikitra hijery akaiky ny vola ho entin’ny mpitandro filaminana miasa. Anatin’ny fijerena ny tetibolam-panjakana rahateo ny manampahefana amin’izao fotoana izao. Mba tena ho laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka sy ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy.
r.r