Maty noleran’ny namany antsy ny lehilahy roa, avy nandray karama. Nikasa hitsoaka any Ambohimahasoa ilay nahavanon-doza ka voasambotra tanaty taksibrosy. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy.
Niara-maty noleran’ny lehilahy iray mpiara-miasa aminy sady namany antsy ireo roa lahy teny Ambohipiraisana, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano, ny 25 mey lasa teo. Nandray karama tany amin’ny toeram-piasany, niara-nandray vola izy telo lahy ka niaraka nisotrosotro. Hanala havizanana ny tanjony. Nivadika ho tsy fifankazahoana anefa io fiaraha-misotro io. Niaka-peo, raikitra ny fifampikasihan-tanana. Namoaka antsy lavalela anefa ny iray. Nasesiny nolerana tamin’ io zava-maranitra io ireo namany roa lahy. Niletra teo amin’ ny fo sy ny tendan’ireo roa lahy ny tsatok’antsy ka nitarika tamin’ny fahafatesany.
Nifampitadiavana
Nandositra ilay nahavanon-doza taorian’ny habibiana nataony. Nidina ifotony nanokatra fanadihadiana momba io vono olona io ny zandarimaria. Niara-nifanome tanana ny avy eo amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely sy ny tobim-paritra Tanà Ville. Naharay loharanom-baovao izy ireo fa hikasa handositra amina taksiborosy ho any Ambohimahasoa ilay lehilahy nanindrona antsy. Tratra tao anaty fiara tokoa ity farany, ny 26 mey. Nentina natao famotorana. Sarona teny aminy ilay antsy nampiasainy tamin’ny famonoana. Natolotra ny fampanoavana izy ka niafara amin’ izao fihazonana am-ponja eny Tsiafahy izao.
Tsiferana R.