Hifanandrina amin’i Comores i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Fanamby goavana ny miandry ny Barea.
Lalaon’ny samy nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina! Anio, ao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg, hifanandrina i Madagasikara sy i Comores. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2026”, izay hatao any Meksika sy Etazonia, ho an’ny vondrona “I”.
Mbola manala vela ny Coelacanthes Comores. Araka ny fikarohana natao, tsy mbola nandresy an’i Madagasikara mihitsy ity nosy rahavavy ity. Tsara ny mampahafantatra fa i Comores no voalohany ao amin’ny sokajy “I”, manana isa 6. Fahefatra kosa ny ekipa nasionaly Barea de Madagascar, isa 3. Tsiahivina fa izay voalohany isam-bondrona, tonga dia tafita avy hatrany any amin’ny Mondial. Izay firenena faharoa tsara indrindra kosa dia hanao lalao sakana.
Marihina fa aorian’ity lalao ity, hifandona amin’i Mali indray ny Barea, ny 11 jona ho avy io, any Afrika Atsimo ihany.
Mpitsara Kongoley no hitantana ny lalao, anio, raha ny vaovao azo avy any Afrika Atsimo, raha toa ka Gaboney ny amin’ny talata ho avy izao.
Fahatelo i Centrafrique
Mitana ny laharana fahatelo vonjimaika ao amin’ity sokajy “I” ity i Centrafrique, nahazo isa 4. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 i Tchad, omaly, tany Oujda Maroc. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahatelon’ity fifanintsanana ity. Raha tsy misy ny fiovana, ny volana marsa 2025 no hifanandrina amin’i Centrafrique ny Barea de Madagascar. Mbola manala vela amin’i Centrafrique i Madagasikara, satria resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa nasionaly malagasy, ny taona 2023 lasa teo.
Fitia Randria