Mpilalao tantara amin’ny radio: hiaka-tsehatra eto Antananarivo ny Iray Fy’Art

Hiaka-tsehatra eto Anta­nanarivo ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo, Iray Fy’Art. Hotanterahina etsy amin’ny salle d’œuvre, Ekar Trinite Masina, Mangasoavina izany, ny sabotsy 8 jona izao, iarahana amin’ny Sefada – FET. Hitohy ny alahady 9 jona etsy amin’ny salle d’œuvre, Ekar St Etienne Ambanidia izany. Karakarain’ny FET, Ekar Notre Dame de la Paix Andrainarivo. Samy hanomboka amin’ny
2 ora ireo seho indroa miantaona ireo. « Hetsika nataonay ho fanohanana ireo tanora FET hiatrika ny fihaonambe hatao any Antsiranana izao, araka ny efa tarigetranay amin’ny fanohanana sy fanaovana asa soa », hoy ny lehiben’ny tarika Iray Fy’Art, i Niravo. Nam­ba­rany fa sady fialamboly no fanabeazana ary fanomezan-kasina ny kanton’ny tantara ny seho an-tsehatra entin’izy ireo amin’izany. « Maneho ny fiainana andavanandro sy ny fifanjevoan’ny resa-pitiavan’ny tanora ary koa ny saranga miaraka amin’ny trangam-piarahamonina ny tantara lalaovinay », hoy ihany izy. Hifana­kaiky kokoa amin’ny mpankafy izy ireo amin’io fotoana io, ahitana an-dRakoto, Faly, Synèse, Niravo ary i Antsaravaka. Han­drindra ny lafiny teknika sy ny fanentanana kosa, Bruno Rakotomalala.

Tsiahivina fa hihazo ny any Faratsiho izy ireo ny 16 jona izao (fetin’ny Ray) miaraka amin’ny CEG ao an-toerana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: