Hotanterahina anio, any Toamasina, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, N1A faritra Atsinanana, sokajy lahy sy vavy. Hisy lalao efatra handeha any an-toerana. Anisan’izany ny fihaonana tena andrasan’ny maro eo amin’ny lehilahy, ny fifanandrinan’ny Ascut Atsinanana sy ny Cosfa Analamanga.
Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahatena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tapany Atsinanana. Raha ny fanazavana azo tamin’ny Federasiona malagasin’ny taranja Karate, omaly, hatao ny sabotsy ho avy izao ny famaranana, ho an’ny sokajy lahy sy vavy : Cadet, Junior, Junior.
Anio, no hanaovana ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondaka, “Grand Chelem Roland Garros”, izay atao any France, ny 26 mey-9 jona. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny rehetra ny lalaon’i Carlos Alcaraz sy i Jannik Sinner. Raha toa ka hihaona amin’i Casper Ruud ilay alemà, i Alexander Zverev.
Nampiseho ny fahavononany hiatrika ny fifaninanana eoropeanina “Euro 2024” i Frantsa. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 i Luxembourg, ny alarobia lasa teo, tany Metz France. Fihaoanana ara-pirahalahiana natao hanomanana ny Euro, izay hatao any Allemagne, ny 14 jona -14 jolay ho avy izao.