Soratra tsy manolatra: mila omena aina vao ny vaky boky

Jona, « Volan’ny teny malagasy ». Ny teny, tonga soratra. Ny soratra raiketina anaty boky. Ireo rehetra ireo, samy ahitana olana avokoa, raha ho an’i Madagasikara manokana. Tsy mba maro mpiteny loatra ny vaky boky izay efa mila omena aina vao mba tsy hitambotsim-pandry ity firenena ity!

Raha misy kolontsaina sy zavakanto mizaka ny tsieran’ny aina, voalohany ny soratra. Tsy ny mpanoratra no miady amin’ny penina na ny mpamaky no mankahala ny boky fa ilay rohy mampifamatotra ireo rehetra ireo mihitsy no marisarisa. Ny mpanoratra nanjary nandevin-talenta sy fahaizana raha vao mieritreritra fotsiny fa tsy hahaleo ny sarany ny vidiny raha hanao boky. Ny edisiona sy ny trano fanaovam-pirinty ary ny fivarotam-boky toa mangasihasy manoloana ny tsy fanatonan’ny mpanoratra azy ireny, satria, lafo loatra, hono, ny sarany alain’ireo sehatrasa ireo ka aleo manatonta ho an’ny olona izay fantatra fa mila ilay boky. Raha mpanjifa folo no mitady, boky folo no atonta dia izay! Miandry ny famandrihana manaraka indray. Tao anatin’ny taona maro, miaina izany hatrany ny tontolon’ny soratra. Samy tsy misy mety manolatra na ny alahelon’ny mpanoratra tsy mahatafavoaka boky, na ny hetahetan’ny mpamaky tsy mahavidy boky!
Miasa maina…
… Satria, tsy tafapaka any amin’ireo mila azy ilay sanganasa. Tsy misy akony (tsy manolatra) ao aminy. Miasa maina ny mpanoratra! Na zava-baovao ho an’ny Malagasy aza ny soratra. Na tsy zatra manoratra loatra aza izy. Tsy azo lavina fa nitondra fiovana lehibe teto Madagasikara ny soratra. Nirodana tsikelikely, ohatra, ny tsy fifampitokisana teo amin’ny fiarahamonina malagasy. Nipoitra niandalana kosa ny fampiasana ny soratra. Tsy varotra ny fifampivarotana raha tsy nisy ny taratasy nasiana sonia. Soratra avokoa izany.
… Talohan’ny taona 1975, manam-pahalalana maro ny Malagasy, satria, nisy ny boky hovakiana. Tsy sarotra rahateo ny nahazo azy ireny. Amin’izao vanim-potoana izao, manomboka tsy manam-pahalalana afa-tsy ireo taranja ianarany any an-tsekoly ny zaza sy ny tanora malagasy. Tsy mahagaga raha maro amin’ireo Malagasy be diplaoma no tsy mahataka-javatra firy intsony. Mba tsy hiasa maina anefa ny mpanoratra, mila jerena manokana ny momba ny rohim-boky, satria, misy olana mila vahana ao!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: