TARATRY ny KANTO

Farakely etsy amin’ny Chez Pitou Behoririka. Tsikaritra tato ho ato fa nisesy isan-kerinandro ny “cabaret” tao amin’ity toerana ity, taorian’i Lati, hanafana ny fotoana anio alina indray i Farakely sy ny mpitendriny. Hitondra ireo sanganasany be mpankafy, fa hanolotra ihany koa ireo hirana mpanakanto hafa izay ankafiziny i Farakely.

Ry “…zandriny”, etsy amin’ny Piment Café. Vao miteny hoe Tolotra, Ony, Nary ary Dougl, dia fan­tatra ho azy ny ankamaroan’ny hira alahatra. Be mpi­tady ka hiverina etsy amin’ny Piment Café Behoririka indray ry zalahy, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Ankoatra ny hiran’ny tarika Mahaleo, manao sanganasana tarika hafa ihany koa ry zalahy.

“Takariva an-jaridaina”, iarahana amin’i Rija Ramanantoanina. Anio manomboka amin’ny 8 ora alina ny fotoana iarahana amin’ity mpanakanto ity, eny amin’ ny Le jardin de Masha, By Pass. Fotoana sy toerana natokana ifanakaikezan’ny mpanakanto sy ny mpan­kafy izy ity, raha ny tanjon’ny mpikarakara. Hamerenan’i Rija sy ny mpitendriny indray ireo hiram-pitiavana tsy ton­tan’ny ela.

Partager sur: