“Telma E-sport series” : nanao pao-droa i JZ Rayan

Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben’ny Telma Andra­haro, ny fanolorana ny fankasitrahana ho an’izay telo voalohany nandresy tamin’ny fifaninanana “Telma E-sport series 2024”. Nanaovan-dRalainaivo Mamitiana Herilanto na JZ Rayan pao-droa ity fifanintsanana ity. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ ny sokajin-dalao roa izy : ny “E-football” sy ny “EAFC”. Noto­loran’ny mpikarakara lelavola 1 200 000 Ar (600 000 Ar ny E-football ary 600 000 Ar ihany koa ny EAFC) ity Malagasy mpilalao ity.
Tsiahivina fa manana ny lazany amin’ny “Jeux videos” i JZ Rayan. Efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika intelo, anisan’ izany ny taona 2023 izay natao tany Côte d’Ivoire sy ny tany Tunisie, ny 2020. Amin’izao fotoana izao, manomana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny E-Football izy, izay hotontosaina any Riyadh Arabia Saodita, ny 11 hatramin’ny
19 novambra ho avy izao.
Tsara marihina fa ankoatra ny E-Football sy ny EAFC, nisy ihany koa ny lelavola izay nomena ireo telo voalohany tamin’ny PUBG Mobile, Call OF Duty Mobile, Dota, Naruto Storm 4, Street Fighter 6, Clash Royale, League of Legends Wild Rift.

Fitia Randria

Partager sur: