TSELATRA

Renim-pianakaviana iray naratra nodarohan’ny adala teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Tsy nanampo na inona na inona ilay niharam-boina tamin’io fotoana io. Avy niantsena izy ka teny an-dalana hody no nifanehatra tamin’ity adala ity. Naratra mafy izy ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana. Lasa nitsoaka ilay adala.

Omby miisa 80 indray lasan’ny dahalo nirongo basim-borona sy lefona tao Antseva, kaominina Anki­lilaoka, distrika Toliara II, afakomaly. Nahazo antso ny zandary ka nanao ny fanarahan-dia. Tsy mbola nisy tratra ireo malaso saingy mitohy kosa kosa ny fanenjehana ireo dahalo.

Lavon’ny balan’ny Tafika ny iray tamin’ireo dahalo nanafika tao Androtsy, fokontany Anjiabe Antsa­lova, afakomaly. Nanafika fianakaviana iray tao amin’io tanàna io ireo malaso ka nitsoaka avy hatrany. Nifane­hatra tamin’ireo Tafika mpampandry tany anefa ry zalahy ka raikitra ny fifandonana. Maty voatifitra i Avimana, lehiben’ny dahalo raha naratra kosa ireo namany.

Partager sur: