Notanterahina tao amin’ny kaominina Mandiso, distrikan’i Taolagnaro, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana sy fivarotana ny vokatra baies roses, ho an’ity taona 2024 ity. Voalohany indrindra amin’ireo kaominina manana vokatra tsara sy betsaka ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro i Mandiso ary mitana ny laharana faharoa maneran-tany.
Ny faritra Anôsy miaraka amin’ireo mpiara-miombon’ antoka dia manohana manontolo ny fihariana baies roses sy ireo mpisehatra rehetra amin’izany. Mahatratra 300 taonina isan-taona ny baies roses vokatra ao amin’ny kaominin’i Mandiso. Anisan’ny hanitra be mpitady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity vokatra ity. Maherin’ny 200 000 Ar ny kilao raha ny hita amin’
ireo tranonkala fivarotana mpanondrana azy.
Nihaona sy nihaino ny hetahetan’ireo vahoaka ny governoran’ny faritra Anôsy, Rakotovelomanantsoa Voahary. Nisy koa ny fanamboarana lalan-tany mirefy 3 km mampitohy ny renivohitry ny kaominina sy ny tanànan’i Volazato, izay ahitana tantsaha mpamokatra manodidina ny 1 500. Novahana ny olana mba hahafahan’ny mponina sy ny entana mifamezivezy eo amin’ny sehatra ara-barotra.
Tatiana A