Emirates : hisokatra ny zotra mankany Dubaï

Kaompania anisan’ny matanjaka indrindra maneran-tany ny Emirates. Hampitombo ny mpandeha sy ny mpizahatany ny fahatongavany aty Madagasikara.

Hiampy indray ny fitaterana ana habakabaka. Hi­sokatra amin’ny 3 septambra 2024 ho avy izao, ny zotra fiaramanidina mampitohy an’Antananarivo sy Dubaï, mandalo an’i Mahé Seychelles. Miantoka ny fitaterana ny kaompania Emirates.
Nilaza ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, fa inefatra isan-kerinandro ny hanombohana azy, fa hitombo tsikelikely izany any aoriana. Miisa 360 ny isan’ny toerana anaty fiaramanidina, ka sokajy toekarena ny 310, « business » ny 42 ary « First class » ny 8. Kaompa­nia anisan’ny matanjaka in­drindra maneran-tany ny Emi­rates. Miisa 151 ny zotra hiantohany, ka ity mankaty Mada­gasikara ity ny faha-152. No­marihin’ny minisitra, fa efa maherin’ny 13 000 ny mpandeha nivezivezy tany Dubaï tamin’ny taona 2023, ka inoana fa tsy maintsy hitombo izany amin’izao zotra vaovao izao.
Mpizahatany 1 000 000

Nanamafy ny minisitry ny Fizahantany, Randriaman­dranto Joël, fa ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana, hampitomboana ny mpizahatany ho 1 000 000 isan-taona manomboka amin’ny taona 2028.
Anisan’ny paikady hataon’ny minisitera koa ny fanohanana ireo mpandraharaha mpikarakara dia ho an’ny mpandeha sy ny mpizahatany (Eductours) ho avy aty Madagasikara.
Nanomboka tamin’ny febroary 2024 teo ny fikarakarana ny fifampiraharahana no­tarihin’ny filoha Rajoelina. Nisy ny fandaminana ara-teknika niaraka tamin’ireo mpiara-miom­bon’antoka samihafa. Toy ny Ravinala Airports, ny ACM, ny Sofitrans, sns.
Nilaza ny filoha lefitra sady tale ara-barotra ny Emirates, Adnan Kazim, fa tsy foana hatramin’izay ny fitaterana ana habakabaka mankaty Madaga­sikara, na nitombo aza ny isan’ ny mpizahatany. Izany no ma­hatonga ny Emirates hanome tolotra tsara kalitao ny mpan­deha.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: