Fahafatesana mampiahiahy : notorian’ny fianakaviam-badiny ilay vehivavy

Mampiahiahy ny fianakavian’ilay tovolahy hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao Amparatanàna, Fenoarivo Atsinanana, ny fihetsiky ny vehivavy vadiny, nanomboka ny alarobia 5 jona teo. Nifatotra tady ny tendan’ilay lehilahy tamin’io fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany io. “Tsy namono tena ny havanay fa novonoina. Nosarontsaromana tamin’ny famonoantena izany”, hoy ny nambaran’ny fianakavian’ilay lehilahy 33 taona. Nanamafy ny ahiahin’izy ireo ny tsy fahitana an-dramatoa vadin’ilay namoy ny ainy hatramin’izao. Tsy hita tao amin’ny tanànan’i Fenoarivo Atsinanana intsony izy taorian’ny nahafatesam-badiny. Ahina ho nisy tsy fifankahazoana teo amin’io lehilahy hita faty io sy ny vadiny. Nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana, noho izany, ny fianakavian’ny maty. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: