Velon-taraina ny tantsaha mpamokatra voanjo amin’ny tanànan’Ampanihy, distrika Menabe. Mitotongana ny vidin’ny voanjo noho ny tsy fisian’ny orinasa mpanodim-bokatra. Ankehitriny, nidina ho 1 500Ar ny kilaon’ny vokatra raha toa ka 2 300Ar izany tamin’ny taon-dasa. « Betsaka ny orana tamin’ity taona ity izay anisan’ny nampitombo ny vokatra saingy nandiso fanantenana ny mpamokatra ny vidiny », hoy ny fitarainan’ireo mponina any an-toerana. Noho izany, manao antso avo ny hijerena ny mety ho vahaolana mahakasika ny vidim-boanjo ny tantsaha. Ankoatra izay, miantso ny tomponandraikitra hijery ny tohodranon’i Dabara sy Bedimaka ihany koa ny mponina, hahafahan’ny tantsaha mamokatra. Efa antitra avokoa ireo fotodrafitrasa ka sakana ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana izany. Nanamafy kosa ireo mponina any an-toerana fa hamokatra ny tanàna raha toa ka vita ireo tohodrano voalaza etsy ambony. Mivelona amin’ny fambolena rahateo ny 70% ny mponina ao an-toerana.
Henintsoa H.