MFF andiany faha-19: maro ny tanora sy vehivavy malagasy mifaninana

Anisan’ireo ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny sarimihetsika eto Afrika, indrindra ny eto Madagasikara, ny MFF. Miditra amin’ny andiany faha-19 ny hetsika, ary vinan’ny mpikarakara ny hitondra ny tsaratsara kokoa hatrany.

Tanterahina ny 5 hatramin’ny 12 jolay 2024, eto Antananarivo, ny “Mada­gascourt Film Festival” (MFF), andiany faha-19. Ny fikambanana Rencontre du Film Court no mikarakara ny hetsika ary ireo Afrikanina misehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihe­tsika isan-karazany no tena kendrena amin’izany. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, miezaka manatsara hatrany ny mpikarakara. Amin’ity andiany faha-19 ity, mitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny mpanatontosa avy any Brésil. Tanjona ny hampiroborobo sy hampivelatra ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy, indrindra ireo mpisehatra amin’izany.
Mahatratra 39, mizara amina sokajy enina, ny sarimihetsika hifaninana ao anatin’ny “Festival Madagascourt Film Festival”, andiany faha-19. Ho an’ny sokajy “Compé­tition nationale”, izay hifaninanan’ireo Malagasy mpanatontosa. Miisa 7 izy ireo, ary tanora sy vehivavy ny ankamaroany. Anisan’ny nampiavaka ity andiany ity ny fisian’ny sokajy “A chacun son cinema session”. Ao anatin’izany no ahafahan’ireo mpanatontosa ivelan’i Afrika mandray anjara.
Mihatsara
Miroso miandalana mankany amin’ny fahatsarana ny tontolon’ny horonantsary malagasy. Taratra izany izao fahavitrihan’ny tanora sy vehivavy amin’ny fandraisana anjara izao. Izy ireo izay ho taninketsan’ny sinema mala­gasy. Ankoatra izay, vao mainka hanosika sy hampivelatra izany ihany koa ny fihaonana amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny horonan­tsary avy any ivelany, izay ho avy eto Madagasikara mandritra ny MFF, andiany faha-19.

Lin

Partager sur: