Mangingina hafahafa izany ny tanàna. Asa, mbola samy variana amin’ny resa-pifidianana ny vahoaka malagasy. Ny hatsiaka izay tena mamirifiry tokoa efa mampitondra faisana rahateo. Manomboka mahazo vahana ny karazan’aretina mifandraika amin’ny toetr’andro. I Madagasikara rahateo anisan’ny lohalisitra amin’ny firenena mizaka ny vokadratsin’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Mila fitandremana lalina ny mahakasika ny fahasalamam-bahoaka, eto Madagasikara. Ankoatra ny aretin’ny taovam-pisefoana, maro ihany koa ny aretina azo avy amin’ ny loto. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany ambanivolo rehetra any. Ankoatra ny aretim-pivalanana, maromaro ny distrika ahitana takilidrano na ny bilarzioza noho ny rano maloto. Etsy ankilan’izany ny aretina tazomoka, izay mandripadripaka any amin’ny faritra mafana.
Mila politika matotra ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara. Tsy vitan’ny hetsika ravindravina an-tetina fotsiny, fa mitaky asa matotra. Tsy mbola misy ny politikam-pirenena mahakasika izay na dia manana ny drafitrasany manokana aza ny minisitera. Betsaka ny sehatra tokony ho jerena manokana, indrindra ny fandraisana ireo manampahaizana ho anisan’ny mpisehatra fototra.
Mbola betsaka ireo nahavita fianarana no tsy voarain’ny fanjakana ho mpiasa. Manginy fotsiny ny fotodrafitrasa izay tsy mifanaraka amin’ny isam-bahoaka. Olana tsy ho voavahan’ny minisitera samirery anefa. Mila ny fanovana goavana hatrany amin’ny tetibolam-panjakana natokana ho an’ny fahasalamana. Amin’ny ankapobeny, misy ny tsy fifandanjan’ny vola ho an’ireo departemanta. Misy ny minisitera tena milibaliba saingy tsy mahakasika mivantana ny sosialim-bahoaka. Ny sasany, izay tokony hiasa sy tena mikirakira ny fiainam-bahoaka zara raha mahazo « taipiraka ».
Raha fehezina, mila manova lojika tanteraka « Rafanjakana » mba hialan’ny vahoaka madinika amin’ilay fahasahiranana.
r.r