Nandresy 2 no ho 1: laharana voalohany ny Barea!

Mitazona ny laharana voalohany ao amin’ny “Vondrona I” ny Barean’i Madagasikara. Resiny tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipam-pirenena kaomorianina, omaly, tany Johannesburg.

Mitohy ny fahombiazana! Nahazo isa telo fa­nampiny indray ny ekipam-pirenena Barea, omaly, tao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg Afrika Atsimo. Nandresy an’i Como­res tamin’ny isa 2 no ho 1 i Madagasikara. Laharana voalohany ao amin’ny vondrona “I” araka izany ny Barea. Tafiditra tamin’ny andro fahatelo, fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany “Mondial 2026”, izay hatao any Etazonia sy Meksika.
Ilay Malagasy mpilalao, Rayan Raveloson, no nahatafiditra ny baolina voalohany ho an’ny Barea, 56 segondra nanombohan’ny lalao. Ny mi­nitra faha-18, nosoloin’i Tendry, Malagasy mpilalao, i Hakim Abdallah, lohalaharan’ ny Barea noho ny ratra nahazo azy. Saika nahatafiditra baolina i Selemani, kaomorianina, roa minitra tsy hidirana any amin’ny fialan-tsasatra (43 min). 1 no ho 0 ny isa ni­sa­rahana nandritra ny fizaram-potoana voalohany, mitarika i Madagasikara.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nanova paikady i Stefano Cusin, mpanazatran’i Como­res. Nesorina ry Youssouf sy Rafidine, nampidirina i Mah­moud sy i Bourhane. Nahita daka tao anaty faritra tsy azo ivalozana i Maolida, lohalaharana Comores, telo minitra na­nombohan’ny fe-potoana faharoa (48 min).
Nampian’i Rayan Ravelo­son indray ny isa ho an’ny Ma­lagasy (65 min), rehefa navo­tsotr’i Boina, mpiandry haraton’i Comores, ny baolina nodakajn’i Tendry. Segaondra vitsy tsy hifaranan’ny fihaonana, nampihena ny elanelan’isa i El – Fardou, Comores. Nifarana teo amin’ny isa 2 no ho 1 ny fifanandrinan’ny roa tonta, nandresy ny Barea de Mada­gascar.
Tsara marihina fa izay voalohany isam-bondrona amin’ity dia manao Mondial avy hatrany. Ny faharoa tsara indrindra kosa, hanao lalao sakana.

Hifanandrina amin’i Mali
Rehefa avy nifanandrina tamin’ny nosy rahavavy Co­mores ny ekipa nasionaly malagasy, ny Aigle de Mali, indray no hihaona amin’i Ma­da­ga­sikara, ny talata ho avy izao, ao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johan­nesburg Afrika Atsimo ihany. Araka ny fikarohana natao, tsy mbola nifandona mihitsy i Mali sy i Mada­gasikara. Tsara ny mampaha­tsiahy fa lavon’i Ghana, ta­min’ny isa 2 no ho 1, ny malianina, mpampiantrano ity fihaonana ity, ny alakamisy lasa teo.

Fitia Randria

 

Partager sur: