Hitohy rahampitso, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Telo ny lalao voalahatra amin’izany ka anisany hahasarika ny sain’ny mpanaraka ity fifaninanana ity ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny Uscar. Adin’ny boaty sy ny kartie ny fihaonana ka samy hiaro ny maha izy azy ny roa tonta.
Ekipa roa samy manana ny lazany sy ny fahaiza-manao ireto hidona ireto. Haneho ny maha kalaza azy amin’ny maha kartie Anatihazo amin’ity. Manana ireo mpilalao sangany sy tanora. Tsy zoviana amin’ny rehetra kosa ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hivondronan’ireo mpilalao be traikefa, raha tsy hilaza afa-tsy Radadatoa sy i Toussaint. Na mifankahalala aza ireto ekipa roa tonta ireto, efa ela ihany no tsy nidona. Hangotraka, araka izany, ny fihaonana eo amin’izy ireo.
Ankoatra izay, hifampitana amin’ny STM (Savony) ny TFMA (Boaikely manohitra) Ankasina. Hiendrika lalao famaranana kely ihany koa ny an’ ny roa tonta ka ho resy izay ratsy fanomana. Hanokatra ny lalao ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray sy ny FTBA Andohatapenaka. Heverin’ny rehetra fa ho tafavoaka mora foana ny FTM saingy hiezaka hanohitra azy ireo ny zandrikelin’Andohaapenaka amin’ity.
Tompondaka