Soanierana Ivongo: Tovolahy latsaka tao anaty rano mangokatra

Nitsovaka mihitsy ny vatan’ilay tovolahy iray antsoina hoe Galera latsaka tao anaty rano mangotraka, tao amin’ny fokontany Ambodivoanio Soanierana Ivongo, afakomaly. Tampoka ny fiavian’ny loza ary samy tsy nanampo izany ireo mpiara-miasa aminy. Avy nahandro ravin-jirofo izy ka teo am-piomankomanana hody no nisolifatra tampoka, latsaka tao anaty vilanibe mbola nisy rano mangotraka. Vokany, nitsovaka tanteraka ny vatany iray manontolo. Ireo mpiara-miasa aminy kosa no nifanome tanana tamin’ny famonjena azy. Marihina fa mpahandro ravin-jirofo ny asan’ity tovolahy niharam-boina ity. Tsy nahatsiaro tena izy tamin’ny fotoana nampiakarana azy tao anaty vilany. Nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana ao Soanierana Ivongo izy. Noho ny ratra mafy nahazo azy anefa, tsy avotra intsony ny ainy.

J.C

Partager sur: