SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga «Ligue 1», taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Toulon Academie sy ny AS Ste Anne Bongatsara. Hisolo tena an’Analamanga eo amin’ny fifaninanam-pirenena 2025 ireto ekipa roa ireto.

Misaona ny tontolon’ny baolina lavalava eto Mada­gasikara sy ny klioban’ny Cosfa rugby. Nindao­sin’ny fahafatesana ny alakamisy lasa teo, Rakoto­nirina Njaka. Anisan’ireo mpilalao tompon-toerana ao amin’ity ekipan’ny miaramila ity Itompokolahy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny Cosfa ny gazety Taratra.

Mpilalao 4 mirahavavy, i Elisoa, i Miotisoa, i Tsantaniony, i Mialy (USA) no hisolo tena an’i Ma­da­gasikara amin’ny “Billie Jean King Cup”, sokajy fahatelo, taranja tenisy. Fihaonana hatao any Kenya, ma­nomboka ny 10 ka hatramin’ny 15 jona ho avy izao. 12 ireo firenena hiady ny ho lohany amin’ity fihaonana ity.

Nanomboka omaly, ary haharitra hatramin’ny rahampitso ny Rallye Motul, karakarain’ny klioba FMMSAM. Dingana voalohany, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny familiana fiara­kodia. 35 ireo fiara nandray ny fiaingana amin’ity Rallye ity.

Partager sur: