TARATRY ny KANTO

Hell’s Rush ao amin’ny Kudeta Urban Club. Ao anatin’ny fampahafantarana hatrany ny rakikirany vaovao ny tarika. Misesy ny fiakarana an-tsehatra ka etsy amin’ny kudeta Urban Club Anosy indray ry Chloé sy ny tariny, manomboka amin’ny 4 ora. Ho vahinin’izy ireo mandritra izany, ry Abasse, Dessa ary Mario ao amin’ny tarika Apost sy i Jacquot Green.

Anio no hampiditra ireo andiany manokana amin’ny fianarana zavakanto ny Foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie. Aorian’ny fianarana hataony (9 volana), hofanina ho mpampianatra izy ireo. Hampianatra momba ny valiha sy ny tontolony. Hampianatra momba ny fahendrena malagasy tarafina amin’ny zavakantony, sns. Fantatra fa tsy ahitana mpiofana latsaky ny 18 taona ity andiany manokana ity.

Tanterahina ny 7 hatramin’ny 31 jolay 2024, ny fampirantiana «Rétrospective» iarahana amin’i Clipse Teean na Raolison Mbolatiana. Malagasy mpahay kanto miangaly ny “Graffiti” izy, ary anisan’ny sangany sy miatrika hetsika iraisam-pirenena maro. Eny amin’ny B44 indray, araka izany, no hihanoka ny haikanton’i Clipse Teean ireo mpankafy azy.

Hifarana anio, eny amin’ny IFM Analakely, ny hetsika “Peuple Mikea”. Hetsika nampahafantarana ny foko Mikea. Nahitana ny fomba fiainany, ny kolon­tsainy ary ny fiaraha-miainan’izy ireo. Nandravaka izany hetsika izany ny fampirantiana, fandefasana horonantsary ary velakevitra manodidina ny foko Mikea.

Partager sur: