Nampahafantarina omaly, teny anivon’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho amin’ny taona (PLFR) 2024. « Somary narisarisa ny fandoavan-ketra ka tsy tratra ny vina tamin’ity tapany voalohany amin’ity taona 2024 ity », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Natao, hoy izy, izao fanitsiana izao noho ny tsy maintsy handanjalanjana ny fandaniana sy ny fampidiram-bola. Hisy fanavaozana maromaro hanatsarana ny fidiran’ny hetra mba hanatrarana ny tanjona. Nampitomboina, araka izany, ny hetra amin’ny sehatra sasantsasany toy ny alikaola fisotro. Na izany, omen’ny fanjakana fanalefahan-ketra kosa ny fanafody sy ireo kojakoja ilaina amin’ny ara-pahasalamana. Hoesorina, noho izany, ny hetra misanda 239 miliara Ar mba tsy hampadoavan-ketra ny fanafody sy ny kojakoja mifanaraka aminy. Eo ihany koa ny fanalefahan-ketra ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny harena an-kibon’ny tany izay mitotaly 172 miliara Ar. Mitentina 52 miliara Ar kosa ny fanalefahan-ketra ho an’ireo kojakoja ampiasaina eo amin’ny sehatry ny fambolena.
Fampiasam-bola andavanando
Hihena 4,9% avokoa ny fampiasam-bola andavanandro afa-tsy ny an’ny Antenimierampirenena, ny Antenimierandoholona, ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ary ny vaomiera misahana ny fifidianana. Ankoatra izay, hihena 50% ny tetibola ho an’ny fanamboarana ny trano isaky ny minisitera, ankoatra ireo izay mikarakara fifidianana. Mitentina 1032 miliara Ar kosa ny natokana ho an’ny angovo ka ny 475 miliara dia entina hanampiana ny orinasa Jirama noho ireo trosa mihoapampana ananany.
Henintsoa Hani