Tetikasa « e-Jery by Telma » : hampidirana ny ankizy amin’ ny tontolon’ny niomerika

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, tetsy amin’ny Maison du numérique Ambatonankanga ny tetikasa “e-jery by Telma”. Tetikasa iarahan’ny Telma Madagascar sy ny Maison du numérique miasa.

Hetsika ahafahana mampianatra ny ankizy sy zaza ma­lagasy ny tontolon’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra, izay atao etsy amin’ny Maison du numérique ny tetikasa. Tanjona ny hampidirana tsikelikely azy ireo eo amin’ny tontolon’ny niomerika. Hanenana ny elanelana misy sy hana­tsarana ny kalitaon’ny fampianarana ihany koa ny tolotra toy izao. Hisitraka izany ireo mpianatra eo anivon’ny sekoly fanabeazana fototra (EPP) 67 Ha. “Izy ireo no sekoly voasafidy hisitraka ny hetsika voalohany satria efa manana ny solosaina hampianarana ireo ankizy any an-tsekoly”, hoy ny avy amin’ny Telma, Riantsoa. Nilaza izy fa mba hitohy any an-tsekoly sy any amin’ny tontolo misy azy ny fahalalana azon’ireo ankizy mandritra izany. Efa natomboka ny alarobia teo ny andrana ho an’ny mpianatra 25.
Ezahina ny hanitarana ny tetikasa manerana ny Nosy sy hisitrahan’ny ankizy manodidina ny 400 hatramin’ny faran’ny taona 2024. Ho 1 000 kosa izany amin’ny taona ho avy. Hisy ny fitaterana ataon’ny Telma ireo ankizy eo anivon’ity Epp ity mba hampazoto azy ireo amin’ny fampianarana. Hiantoka ny fampiofanana kosa ny mpilatsaka an-tsitrapo maro avy amin’ny “l’ONG Bal’Iaka”. Mizara andian-tsokajy efatra ny fianarana. Anisan’izany ny fampahafantarana ny solosaina amin’ny ankapobeny. Eo koa ny fampiasana ireo logiciel (rindram-baiko) sy ny fanoratana ary ny fikirakirana sary…

Hampivelatra ny ankizy ny haitao ara-kajy mirindra
«Tombontsoa manokana ny fisian’ny tetikasa satria hampivelatra ny ankizy amin’ny fahaizana ny tontolon’ny niomerika na dia eny amin’ny toerana sy faritra iva aza», hoy ny talen’ny sekoly Epp 67ha. Nambarany fa hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ihany koa izany. Maro amin’ny ankizy malagasy no tsy afaka misitraka fitaovana sy fiofanana mifanaraka
amin’ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra, raha ny zava-misy. Manampy betsaka sy mampivelatra ireo ankizy nefa ny fisian’ity tetikasa ity, raha ny fanazavana. Fitaovana iray hahazoana vaovao sy fahalalana ary fifandraisana ny teknolojia, izay tsy afa-misaraka amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina. Anisan’ny fanamby goavana ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eo amin’ny firenena iray ihany koa izy io. Manampy amin’ny fahombiazana manokana sy eo amin’ny sehatry ny asa ny fahafehezana sy fahaizana ny niomerika ka antony nanaovana ny tetikasa.

Mino

Partager sur: