Cnuced : manohana amin’ ny fampiasam-bola

Feno 60 taona ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana momba ny Varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced). Hatao any Geneve Soisa ny fankalazana, ny 12-14 jona ho avy izao. Miisa enina ny filoham- panjakana hanatrika izany, ka anisan’ny nasaina ny filoha Rajoelina Andry mivady. Miisa 28 ny minisitra miaraka amin’izy ireo, ka anatin’izany ny minisitry ny Indostria sy ny varotra (MIC), Razafindravahy Edgar. Hanamarika ny fankalazana ny fanovana ny Cnuced ho lasa ONU Varotra sy fampandrosoana. Hanokatra ny lanonana ny sekretera jeneraly (SG) ny ONU, Antonio Guterres, sy ny SG ny Cnuced, Rebeca Grynspan.
Fandaharanasan’ny ONU manohana ny firenena andalam-pandrosoana ny Cnuced. Toy ny fanatsarana ny sehatry ny fampiasam-bola ara-toekarena. Lohahevitra amin’ity fihaonambe ity ny hoe « hamaritra sori-dalana vaovao hitondra fampandrosoana hiatrehina ny fiovaovana hita maneran-tany ». Hodinihina ny paikady hitsinjovana ny firenena andalam-pandrosoana manoloana ny fiantraikan’ny krizy Covid-19 tamin’ny toekarena, ny fiovaovan’ny toetr’andro, sns.

Njaka A.

Partager sur: