DAKA AN-JORONY: Miadia tahaka an’i Davida

Mahavariana ary mahalasa saina ka mampametra-panontaniana ny maheno ireo Malagasy, manakiana ny fandresena azon’ny Barea de Madagascar, nanoloana ny Coelacanthes Comores iny. Tsy fantatra mazava ny antony tsy hitiavan’izy ireo iny vokatra iny. Rehefa nozohina, marolafy ny antony. Eo aloha, ny fahitana ireo mpilalao manao endrika vazaha sady tsy misy anarana gasy mandrafitra ny Barea. Ny an’ny sasany, fankahalana ny amin’ilay endri-dalao raha mitaha amin’ny mpifanandrina. Atao ahoana fa izay ny baolina, tsy izay mahay manao tolotolotra no mpandresy fa izay mahay mamono baolina.
Mampiaka-peo ireo andian’olom-bitsy tsy faly ireo fa hifankahita amin’ny fihaonana amin’ny Voromaherin’i Mali. Ambony tokoa aloha ry zareo malianina raha ny filaharana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, eny fa na ny zava-bita mihitsy aza. Tokony ho tsapan’izy ireo kosa fa ny baolina boribory. Nisy koa ny hoe: Gôliata nifanandrina tamin’i Davida. Lavon’ity olona kely sady mpiandry ondry ity anefa ilay andrarezina. Tsaroan’ny rehetra ihany koa ny «Mondial 2022», nandavoan’i Arabie Saoudite an’i Argentine, tamin’ny lalaom-bondrona. Ry Messi anefa no nibata ny amboara maneran-tany tamin’io. Koa aleo tsy handraraka ilo mby an-doha fa hiady toa an’i Davida.
Ny erikerika mahatondra-drano ary biriky kely mitambatambatra mahavita trano. Tsy ho vitan’ny mpilalao sy ny mpanazatra irery ny lalao eny ambony kianja fa ilain’izy ireo ny fitondrana am-bavaka sy ny fankaherezana, koa miadia tahaka an’i Davida. Na goavana sy mafy aza ny malianina, rehefa hisalorana ny fikirizana, tojo amin’ny fandresena. Koa miadia tahaka an’i Davida.

Tompondaka

Partager sur: