Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tany Sambava, faritra Sava, ny fitokanana ny efitrano ho an’ny kajy mirindra, ao amin’ny Hotel des finances ao an-toerana. Fitaovana momba ny haitao ara-kajy mirindra maro samihafa no natolotra tamin’izany, niaraka amin’ny efitrano, izay avy amin’ny fitarihan’ny Institut national de développement Local (INDDL), notohanan’ny USAID sy ny Pnud, amin’ny alalan’ny tetikasa Rindra. Niatrika ny lanonana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, notronin’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy maro avy ao an-toerana.
Efitrano iray, ahitana solosaina miisa 25 sy fitaovana informatika manara-penitra isan-karazany ity notokanana tao Sambava ity. Toerana ahafahana manatanteraka hetsika maro. Ankoatra ny fiofanana mahazatra, misy fitaovana handraisana velakevitra sy fampianarana an-jotra ihany koa ity efitrano ity, noho izy ahitana fitaovana avo lenta sy manaraka ny teknolojia vaovao.
Mampiseho ny fahavononan’ireo mpiara-miombona antoka, USAID sy ny Pnud, amin’ny fanampiana ny fitantanana mahomby sy mangarahara eto Madagasikara ity tetikasa ity. Santionany izao fanomezana efitrano fanofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasam-panjakana izao. Hanampy amin’ny fanomanana ireo mpitantan-draharaham-panjakana hamaly ny fanamby amin’ny ho avy ny fandaharanasa Rindra.
Lin