Tanjon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny hampihena ho 50% ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona amin’ny taona 2030. Mametraka paikady izy ireo hanatrarana izany.
Haverina amin’ny asany, araka izany, ireo polisin’ny fitaterana an-dalambe izay eo ambany fiahian’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (Agence des transports terrestres – ATT).
28 mianadahy izy ireo no hanatanteraka ny asa ka ny 14 avy amin’ny zandarimariam-pirenena, raha 14 avy amin’ny polisim-pirenena, izay samy “Officier de police judiciare” sy “Agent de police judiciaire” avokoa.
Fanabeazana ireo tompona fiara, mpamily, mpisehatra amin’ny asa fitateran’olona sy entana, fampiharana ireo didy aman-dàlana manan-kery no iandraiketan’izy ireo.
Hiady amin’ny kolikoly ihany koa, hanara-maso maharitra na an-tselika ny fivezivezen’ny fiara, hijery ireo fandikan-dalàna mety hiseho, hanao fitanana an-tsoratra ary hanome sazy araka izay voalazan’ny didy aman-dalana manan-kery izy ireo.
Ankoatra izay, hamonjy ireo tra-boina, hanadihady lalina ary hanolotra sosokevitra ho fanatsarana ny sehatry ny asa fitaterana an-dalambe.
Tatiana A